- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadindramamy : Mpivarotra maty voatifitry ny jiolahy

Ankadindramamy : Mpivarotra maty voatifitry ny jiolahy

Vao nanomboka maizina ny andro dia efa raikitra ny fanafihana mitam-piadiana tetsy Ankadindramamy ny zoma  teo. Manodidina ny tamin’ny enina ora sy sasany teo ny lehilahy maromaro mitam-basy no nanafika tao amin’ny trano iray eo amin’ny manodidina. Nirefotra ny basy ary niteraka ny fahafatesan’ny rangahy iray izany. Raha araka ny fantatra dia mpivarotra akanjo sy friperia io lehilahy io. Ankoatr’izay dia manana fiara taxi-be koa izy ary teo am-panaterana ny vola “versement” mihitsy ireo olon-dratsy no nipoitra tampoka. Nosintonina ny paoketra nisy ny vola ary nitifitra izay nanaraka. Isan’izany ity rangahy izay tsy tàna intsony ny ainy, noho ny bala izay nahazo ny kibony. Vetivety ihany dia tonga teny an-toerana ny mpitandro  filaminana, saingy poa toa izay ihany koa dia nanjavona tao anelakelan-trano ireo olon-dratsy; izay heverina fa efa mahay tsianjery iny lalan’Ankadindramamy iny. Isan’ny toerana mena amin’ny asan-jiolahy iny fokontany iny. Tsikaritra ihany koa fa mahery setra ireo olon-dratsy ireo rehefa manao ny asa ratsiny eny amin’ny manodidina iny. Toa izay nanjo ireo mpivarotra entana  ambongadiny izay tsy nisalasala mihitsy ny nitifitra avy hatrany ny mpibata entana tao ireo jiolahy ary nidaroka ilay vehivavy teo amin’ny fitoeram-bola…

Nangonin’I D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser