Ny alarobia alina lasa teo, jiolahy miisa telo no fantatra fa nanafika teny amin’ny faritra Ankadimdramamy. Raha vao avy nanao ny fandrobana izy ireo dia lasa nandeha. Nisy antso vonjy ka nirohotra ny fokonolona nanenjika. Tetsy andaniny, naharay antso ny koa ny polisy ary nandeha teny an-toerana. Tamin’izay fotoana izay, nifanehitra tamin’ireo jiolahy ireo mpitandro filaminana saingy tsy nahalala fa ireo no mpangalatra. Ny vaovao voaray hatrany no nahalalana fa nisy tamin’ireo mpitandro filaminana ireo aza noratrain’ireo olon-dratsy. Nitohy nandositra hatrany ry zalahy ary dia nanaraka ny polisy. Ny loharanom-baovoa hatrany no nahalalana fa teo no raikitra ny fifampitifirana. Ireo jiolahy no nanapoaka basy voalohany. Namaly izany ireo mpanenjika. Samy tsy nisy naninona anefa na ny andaniny na ny ankilany ary dia tafaporitsaka ry zalahy nenjehina. Raha mbola teo am-pikarohana azy ireo ny mpitandro filaminana dia nisy antso hafa indray voarain’izy ireo nilaza fa toa nifindra toerana norobaina indray ireo mpangalatra. Tsy niandry fa avy hatrany dia niroso ny dia. Tsy tratra anefa ireo bandy fa efa lasa niala ilay toerana. Misy ny fanadihadiana misokatra amin’izao fotoana izao.
Nangonin’i r.s.