- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadindramamy : Rangahy handeha hody avy nivarotra, maty nisy nitifitra

Ankadindramamy : Rangahy handeha hody avy nivarotra, maty nisy nitifitra

Nirefodrefotra indray ny basy teny amin’iny faritra Ankadindramamy iny ny alin’ny zoma lasa teo. Rangahy iray, 48 taona, tompona toeram-pisakafoanana iray etsy Analamahitsy no nisy nitifitra, raha iny izy handeha hody hamonjy ny fodiany tetsy Ankandindramamy iny. Vokany, namoy ny ainy vokatr’izay tifitra nahazo ity raim-pianakaviana ity. Lasan’ireo olon-dratsy kosa ny vola tany aminy rehetra, izay mbola tsy fantatra hatreto fa heverina ho aman’hetsiny maromaro any angamba, niaraka tamina antontaratasy maro tany aminy.

Tokony ho tamin’ny 10 ora alina teo ho eo no nitranga ity fanendahana niharo vono olona ity, raha ny angom-baovao azo. Tsy nisy nahare ny tifitra natao azy fa izy efa robaky ny bala, ary nitsirara tao anaty rà mandriaka tao anaty tatatra no hitan’ireo havany. Raha ny fantatra hatrany mantsy dia toa hoe fanaony ny mody alina, noho izay fitazomany toeram-pisakafoanana izay, ary indrindra moa fa hoe somary lavitra ity toeram-piasàny ity ny trano fonenany. Môtô no fandehanany mamonjy fodiana amin’izany. Raha ny zava-niseho no jerena dia angamba efa nisy nahamarika izay fodiany alina izay sy ny fitondràna vola mody. Tamin’io fotoana io mantsy dia efa tonga teo akaikin’ny tranony mihitsy izy no niharan’ilay fanafihana. Hatreto dia tsy fantatra mazava aloha izay tena niseho, ka nanosika ireto olon-dratsy hotonga hatrany amin’iny famonoana azy. Heverina fa mety ho nanohitra ireto mpanafika izy ka tsy nisalasala ireo tsy valahara namono avy hatrany.

Araka ny loharanom-baovao hatrany dia nahazo teo amin’ny tratrany ny bala. Na dia teo aza anefa ny ratra nahazo azy dia mbola afaka nandona ny vavahadin’ilay mpifanila vodi-rindrina taminy ihany izy. Izay no nanaitra ireo tao an-trano ka nikoropaka nijery. Izy efa tsy mihetsika intsony sy milomano anaty rà no sisa hitan’izy ireo. Voalaza fa teo nisy alok’olona roa nitsoaka, izay inoana fa naka ny vola sy ireo antonta-taratasy tany aminy, hitan’ireto farany. Ny môtô nentiny kosa dia navelan’ireo olon-dratsy teo. Nezahina nentina novonjena avy hatrany ity raim-pianakaviana ity saingy tsy tana intsony ny ainy noho ny rà very vokatry ny diam-bala. Efa nampandrenesina mahakasika ity tranga ity ireo mpitandro filaminana ary efa mandeha ny fikarohana ireo olon-dratsy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici