- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAnkadindramamy : Roalahy nitam-basy nandroba, entana maro no lasa

Ankadindramamy : Roalahy nitam-basy nandroba, entana maro no lasa

Trano iray ana mpandray vola amin’ireny “guichet” amin’ny fiantsonan’ny “taxi-brousse” ireny no notafihana jiolahy roa teny Ankadindramamy ny alahady maraina 22 desambra tamin’ny 2 ora sy sasany. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa mitovy ny akanjo nanaovan’ireo mpandroba niditra ny trano : “blouson” mainty, pataloa mainty ary nanao “ranger”. Basy PA sy fiadiana hafa toy ny sabatra no teny amin’izy ireo. Novakiany ny varavarana ary dia niditra an-keriny ry zalahy. Vao tafiditra tao an-trano izy ireo dia nambanany basy ny tompon’ny trano ary tsy sahy nihetsika. Voalaza ihany koa fa nisy namany hafa nijanona tany ivelany. Mora ho an’ireto mpangalatra ny naka izay tiany toy ny ordinatera fitondra sy ny telefonina rehetra miisa efatra. Raha vao azony izany rehetra izany dia lasa nandeha izy ireo. Taorian’izany vao afaka nampandre ny mpitandro filaminana ilay niharan’ny fanafihana. Efa tsy nisy tratra teny an-toerana intsony anefa ireo olon-dratsy. Ny zandary avy ao amin’ny borigady Tana ville no misahana ny fanadihadiana.

r.s.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser