- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadindratombo : Fiara « Golf », nidona tamin’ny « rond point »,...

Ankadindratombo : Fiara « Golf », nidona tamin’ny « rond point », may kila forehitra

Fiara kely iray, marika « Golf T4 » no may kila forehitra omaly teo amin’ny sampanan-dalana mihazo an’Alasora iny, ny alin’ny talata lasa teo, teny Ankadindratombo, rehefa avy nidona tamin’ilay « rond point ». Tokony ho tamin’ny 11 ora alina tany ho any ity loza ity no niseho raha ny fanazavàna azo avy amin’ny mpitandro filaminana misahana iny faritra iny. Tsy nisy ny aina nafoy, na izany aza mpandeha iray tao anatin’ilay fiara no naratra ary voatery nentina haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana. Tsy nisy azo noraisina kosa ilay fiara kely, noho ny fahamaizana nihatra taminy. Ny zava-nitranga : nirorimo avy any By Pass avy any ity fiara ity no nidona sy nifatratra avy hatrany teo amin’ilay « rond point ». Somary nanidina kely mihitsy aza izany, raha ny nambaran’ireo nanatri-maso. Ary tsy vitan’ny hoe nidona, fa fotoana fohy taorian’izay dia nidona-tsetsotra. Niredareda ny afo nony avy eo. Voavonjy ara-potoana kosa ireo olona tao anatiny. Azo heverina, hoy ireo mpitandro filaminana, fa ny vokatry ny dona mafy nahazo ity fiara ity no nampisy pitik’afo tany amin’ny solika ka antony nandrehitra ny fiara. Nisoamaritaka avy hatrany ny olona. Tonga teny an-toerana kosa ireo mpitandro filaminana, zandary sy pôlisy misahana iny faritra iny, niaraka tamin’ny mpamonjy voina niezaka namono ny afo. Tsy nisy azo namantarana ilay fiara intsony moa ary na ny olona tao anatiny kosa aza, raha ny fanazavan’ireo mpitandro filaminana hatrany, dia tsy fantatra hoe nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana aiza na aiza. Tsy vao izao moa no namoa-doza toa izao io « rond point » eo Ankadindratombo io, raha ny fanazavàna azo. Ambonin’ny hoe tsy misy mari-pamatarana avy any lavitra, dia mbola tsy misy jiro ihany koa manazava izany. Hany ka raha olona mbola tsy za-dalana, toy ny nahazo ny mpamily an’ity fiara ity dia saika iharam-boina toy izao foana. Araka izany dia miantso ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ireo mponina mba hijery akaiky sy handray fepetra amin’izay toe-javatra izay ireo mponina eny an-toerana sy ny mpampiasa lalana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici