Ny sabotsy maraina be, tokony ho tamin’ny 6 ora no nahitan’ny mpandalo fatin-dehilahy iray teny Ankadindratombo. Nampandrenesina avy hatrany ny tompon’andraikitra. Rehefa nojerena ny razana dia tsy nahitana ratra mivantana teny aminy. Araka izany, tsy mbola fantatra mazava ny antony nahafaty an’ity olona ity, na vokatry ny hatsika na zavatra hafa mihitsy. Eo amin’ny 50 taona mahery eo izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Tamin’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana no nahalalana fa teny Ambohipo izy no nipetraka fahavelony. Efa mandeha ny fikarohana izay mety ho nahatonga izao fahafatesana izao ary avy amin’izany no tsy maintsy ahalalana ny marina. Faran’izay mangatsiaka eto an-drenivohitra amin’izao fotoana izao, maro ireo tsy manan-kialofana sy tsy misy mpiahy no hita marary eny rehetra eny.
Nangonin’I r.s.