- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadindratombo : Lehilahy maty teo am-panjonoana, natsingevan’ny rano

Ankadindratombo : Lehilahy maty teo am-panjonoana, natsingevan’ny rano

Ny alatsinainy lasa teo tokony tamin’ny 4 ora hariva no nisy nahita ny fatin’ity lehilahy ity nitsingevana tao anaty rano  fanjonoana iray teny amin’iny faritra Ankadindratombo iny. Araka ny vaovao voaray dia teo am-pajonoana ity lehilahy ity no niharan’izao loza izao.   Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa  efa zatra manjono eo amin’io toerana io ity lehilahy ity ka izay no tsy nahataitra ny maro , 40 taona eo moa izy ity ary voalaza fa manam- bady aman- janaka ihany koa. Raha ny fantatra, araka ny vaovao voaray, dia fanina ity lehilahy ity, ary avy eo dia niankohoka avy hatrany tao anaty rano . Efa roa andro taorian’ny nahafatesany moa vao nisy nahita ny fatiny, efa maimbo. Raha ny fanazavana azo dia efa zatra tsy mody an-trano matetika ity Raim-pianakaviana ity ka izay no tsy nahataitra firy ny fianakaviany. “ Efa zatra tsy mpody an-trano izy ka izay no tsy nahataitra anay”. Araka ny fitantaran’ity ramatoa iray ity izay Havan’ny lehilahy akaiky. Marihina moa fa lavidavitra ny trano fonenan’ity  raimpianakaviana ity ilay toerana fanjonoany.

Nangonon’I FINARITRA. R (Stagiaire)

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici