- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadindratombo : Mpitondra « scooter » maty nodomin’ny fiara

Ankadindratombo : Mpitondra « scooter » maty nodomin’ny fiara

Nisesisesy mihitsy tato ho ato izay ireo mpitondra môtô namoy ny ainy tato anatin’ny herinandro vitsivitsy izay, indrindra fa ireo mpitondra « scooter ». Vao ny alakamisy alina lasa teo indray tokoa mantsy dia lehilahy tokony ho 29 taona no maty tsy tra-drano rehefa nifandona tamin’ny fiara « Starex » ny « scooter » nentiny. Tokony ho tamin’ny fito ora hariva teo ho eo io tranga io, teo akaikin’ny biraon’ny fananantany teo Ankadindratombo. Araka ny fanazavàna azo avy tamin’ireo tompon’andraikitry ny filaminana misahana iny faritra iny dia nandeha mafy ity môtô, izay handeha hizotra ho any Ambohimangakely any. Ambonin’ny fandehanany mafy anefa dia fantatra ihany koa fa mbola tsy nisy jiro izany kodiaran-droa nentiny izany. Marihana fa toerana efa malaza ho mampidi-doza io toerana noho ny fisian’ilay « rond point » tampoka. Mazava ho azy ihany koa fa voatery nampihena ny hafainganam-pandehany ireo fiara handeha hiditra io « rond point » io. Niala izany fiara izany teo alohany ity mpitondra môtô ary handeha hisongona azy no niseho ny loza : ilay fiara « starex », izay nifanena taminy tsy nahita azy akory avy tao anaty maizina. Mafimafy ihany ny fifandonana satria dia nipitika lavitra ilay môtô nentiny izay nizara roa mihitsy. Niakapoka mafy dia mafy tamin’ny tany ihany koa ny lohany vokatry ny dona, antony nahatonga ny fahafatesany, araka ny fanazavàna azo hatrany. Vao nahare ny loza ireo pôlisy misahana iny faritra iny dia nilatsaka avy hatrany teny an-toerana sy niezaka nandamina ny fifamoivoizana. Taorian’ny fitiliana izay nataon’ny mpitsabo moa dia efa nomena ny fianakaviana ny razana. Tetsy andanin’izay kosa, raha ny fanazavàna azo hatrany dia nentina notazomina sy nanaovana famotorana ny mpamilin’ilay fiara « Hyundai Starex », ary atolotra ny fitsaràna tsy ho ela.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici