- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadindratombo : Mpivarotra legioma notafihana jiolahy mirongo basy

Ankadindratombo : Mpivarotra legioma notafihana jiolahy mirongo basy

Teny Ankadindratombo, ny alakamisy alina teo, mpivarotra legioma indray no notafihin’ny efa-dahy mirongo basy. Tsy vitan’ny fandrahonana fotsiny no nataon’ireto farany, fa nanapoahana basy mihitsy. Iza tokoa moa no tsy hatahotra hipararetra raha sendra ny tranga toy izany ? Hany herin’ireo tompon-trano, namoaka izay mba hany vola tao an-tranony. Araka ny fampitam-baovao azo, dia vola mitentina eo amin’ny valo hetsy mahery teo no azon’ireo olon-dratsy tamin’ity fanafihana mpivarotra legioma ity. Tsy nisy kosa ny naratra na ny namoy ny ainy. Vantany vao azon’ireo olon-dratsy ny zavatra notadiaviny, dia lasa izy ireo  nitsoaka. Taorian’izay ireo voatafika vao afaka niantso vonjy. Nigadona teny an-toerana ireo mpitandro filaminana, saingy efa taim-bala, hany navelan’ireo jiolahy sisa no hita teny an-toerana.

Mpivarotra legioma na mpivaro-kafe, ka hatramin’ireo mpamongady lehibe, dia tsy misy afa-bela tokoa izay tamin’ity resaka asan-jiolahy ity, ary saika isan’andro izany, tato ho ato. Eny fa na dia eo tokoa aza ny ezaka ataon’ireo mpitandro filaminana amin’ny fisian’ireo olon-dratsy voasambotra etsy sy eroa. Mila vahaolana haingana avy amin’ny fitondram-panjakana  izany, hoy ny mpanara-baovao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici