Habibiana tsy roa aman-tany no nitranga tetsy Ankadindratombo omaly, tao amina tokantrano iray, tao Ambatonjara. Renim-pianakaviana manodidina ny 25 taona any ho any no hita faty tao an-tranony, nihoson-drà tanteraka ary voarasarasa antsy ny tendany.
Efa zatra maheno ny adin’ireto mpivady ireto ny mpiray vodirindrina ka tsy dia taitra intsony. Tsy hita hidirana ihany koa fa tokantranon’izy roa ilay izy. Araka ny fanazavana azo mantsy, dia saika ho isan-kariva izy ireo dia mifamaly foana ireto mpivady ireto, izay marihana fa efa manan-janaka kely. Tamin’ity indray mitoraka ity anefa dia toa niova tsy toy ny fahenoan’ny manodidina ity adin’ny mpivady ity. Nangina tampoka ny vazavazan’izy ireo, ary henon’ny manodidina nihazakazaka nivoaka ny trano rangahy, toy ireny mitsoaka zavatra ireny. Namela ny varavarana nivoha sy ny jiro nirehitra. Tokony ho tamin’ny 12 alina io andro io, ny alakamisy hifoha zoma teo. Hafahafa tokoa raha ny fandehan-javatra ka nampilomay ny sasany tamin’ireo mpiray vodirindrina nandeha nijery ny zava-nisy. Hatairana tsy misy toy izany ny an’ireto nanatri-maso : ilay renim-pianakavina mitsirara eo am-povoan-trano, mihoson-drà tanteraka ary efa tsy misy aina intsony. Teo no eo ihany, dia nampandrenesina ny pôlisy sy ireo tompon’andraikitry ny filaminana teny an-toerana. Rehefa nozahana ny zava-nisy, dia hita nisy dian-java-maranitra ny tendany. Nanapaka tanteraka ny lalan-drà lehibe ary nitarika ny fahafatesany. Nivantana avy hatrany tany amin’ilay rangahy vadiny izay nitsoaka talohakelin’io ny ahiahian’ny rehetra. Ity farany rahateo, araka ny fanazavana azo hatrany dia mpiasan’ny labatoara, efa zatra mpilalao antsy sy mpamono omby ka mahita tsara ny faritra horasaina hahafaty haingana izany. Amin’izao fotoana izao, dia efa mandeha ny fikarohana azy, raha ny loharanom-baovao avy aamin’ny pôlisy.
Marihana fa toa efa nivonona tanteraka amin’ity ady niafara tamin’ny rà mandriaka ity angamba izy roa, satria na ny zanak’izy ireo aza dia efa nalefany tany amin’ny fianakaviany. Raha ny fototry ny ady hatreto, araka ny feo mandeha dia toa hoe “hasarotam-piaro” avy amin’ilay rangahy.
m.L