- Publicité SW45 -
lundi, décembre 2, 2024
AccueilFaits-DiversAnkadindratombo : « Securité civile » tra-tehaka « nanotra » taxibe

Ankadindratombo : « Securité civile » tra-tehaka « nanotra » taxibe

Misandoka ho pôlisy ranamana amin’io. Manakana ireo fiara rehetra mandalo, na fiara mpitatitra na fiaran’olon-tsotra, izay tsy misy miala maina fa tsy maintsy ahazoany vola avokoa.

Tsy mitsahatra ny mitaraina tokoa ireo izay tratra, teny amin’iny faritra Ankadindratombo iny. Tonga teny am-poto-tsofin’ireo polisy tena izy, teo anivon’ny kaomisarian’Alasora ihany anefa ny vaovao ka nidina teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy ireo tompon’andraikitra. Tra-tehaka teo am-panakanana fiara mihitsy izy, hoy ny fampitam-baovao naparitaky ny avy eo anivon’ny seraseran’ny pôlisim-pirenena ka dia noraisim-potsiny. Tamin’ny famotorana natao ity te ho « rasefo » mafy ity no nahafantarana fa mpiambina (securité civile) miasa eny Ambanidia iny ny lehilahy. Vao maraina handeha hiasa na rehefa hariva avy miasa izy no manao io asa fisandohan’andraikitra io, izay heverina fa efa nahazoany volabe tokoa angamba. Notanana natao andrimaso avy hatrany moa « ingahy sefo sandoka » miandry ny fanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana.

Nanamarika moa ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena fa entina ny hisorohana ny toe-javatra tahak’izao dia tsy maintsy manao fanamian’ny sampan-draharaha hiasàny sy mitondra « badge » hamantarana ny mombamomba azy, ireo pôlisy miasa eny an-dalambe. Tokony hampiseho izany, isaky ny misava sy mitaky ny taratasin’ny fiara izy ireo. Efa nampahafantatra ombieny ombieny ihany koa ireo tompon’andraikitra ambony fa azon’ireo mpitondra fiara atao tsara ny mitaky izany badge izany alohan’ny hisavàna sy hitakiana ireo taratasy mombamomba ny fiara.

Indrisy anefa fa toa fampahafantarana ambony latabatra fotsiny ihany ireo, raha ny hevitry ny ankabeazan’ireo mpampiasa lalana, fa ny mifanohitra tanteraka amin’izany mantsy no mitranga rehefa eny an-kianja eny. Zovy amin’ireo mpamily no sahy hitaky izany ? Ny trerona, toy ireo olon-dratsy voasambotra ireny mandeha ho azy, ny marika amin’ny « fiche de contravention », tsy lazaina intsony, raha hanome izany rahateo izy ireo, ary ny loza ny mety ho voahenjika amin’ny fanivaivana « outrage » tsy fidiny eo ! Miara-manaiky anefa ny rehetra fa efa nisy ny ezaka, indrindra ny eto an-drenivohitra ary tsy ireo mpitandro filaminana rehetra akory no mampiseho ireo toetra tsy mendrika voalaza ireo …

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici