- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadindratombo : Soloky ho mahita asa, nahazoany volabe

Ankadindratombo : Soloky ho mahita asa, nahazoany volabe

Vola an-tapitrisany maro no azon’ilay vehivavy. Tsy sarotra ny fomba fisolokiany satria milaza izy fa mahafantatra olona etsy sy eroa ary mahatafiditra izay te hiasa ao. Orinasa afaka haba iray ary koa orinasa miandraikitra fifandraisan-davitra iray hafa no nampiasainy ny anarany ary nentiny namitahana olona. Miainga amin’ny 20.000 ariary ny vola alainy ary tonga hatramin’ny 300.000 ariary. Izany hoe tsy mifidy sarangan’olona hatao lasibatra ny tenany fa na ireo efa miady amin’ny fiainana aza dia mbola alainy koa ny volany. Olona efa manodidina ny efapolo isa no nametraka fitoriana an’ity ramatoa ity, satria tonga saina ihany hoe voasoloky rehefa tsy nisy tafiditra niasa. Izany ihany koa no nahafahan’ny polisy avy etsy Alasora nanokatra fanadihadiana ka nikaroka ity ramatoa ity. Teny Ankadindratombo izy no voasambotra ary avy amin’ny alàlan’ny fiaraha-miasa tamin’ny fokontany no nahitàna izay nisy azy. Ny tena mahavarina dia mora inoan’ny maro ny olona toa ireny. Ary izany dia isan’ambaratongany mihitsy. Toa ireo izay milaza fa akaiky ny filoha ary mitango volan’olona izay manana olana. Isak’zay fitondràna nitsangana dia nisy hatrany ny karazam-pisolokiana toy izany. Betsaka koa ireo izay milaza ho mahatafiditra ho mpiasam-panjakana ary tsy mila mandalo fifaninana akory. Isan’ny tena nanamarika ny resaka fisolokiana aza ny fisian’ny rangahy iray misandoka ho zandary ary ny mpitandro ny filaminana ihany no hangalany vola rehefa fitahiny fa afaka mampiakatra galona izy. Be loatra ny tsy an’asa ary manitatra ny sain’ireo mpisoloky izany mba hangalàna vola mora foana…

D.R

Toamasina : Telo lahy mitam-basy karohina

François dit dada, Jaques Jean ary Antoine Juils. Ireo no namoahan’ny polisy miandraikitra ny boriborintany voalohany noho ny fitazomana fitaovam-piadiana tsy nahazoana alàlana, fanafihana mitam-piadiana ary fikambanan-jiolahy. Tamin’ny 15 febroary teo no nivoaka ny fampilazàna fikarohana ireo voarohirohy ho olon-dratsy, 43 taona ny zokiny indrindra ary 21 taona ny kely indrindra ao anatin’ity fikambanan-jiolahy karohin’ny polisy ity. Ny renivohitr’i Betsimisaraka no isan’ny nahitàna asan-jiolahy be indrindra hatramin’ny taon-dasa teo. Nisesy ny fanafihana mitam-piadiana nataon’ireo jiolahy mandeha scooter ary tsy misalasala mitifitra. Betsaka koa ny maty noho izany fampiasana basy tsy misy ahiahy izany. Na tsy niteny mazava aza ny polisy momba ity fikarohana ity dia fantatra fa mifandraika amin’izay heloka bevava nisesy tao an-toerana izany.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici