- Publicité -
lundi, janvier 19, 2026
AccueilFaits-DiversAnkadindravola Ivato : Lehilahy nisandoka ho miaramila voasambotra

Ankadindravola Ivato : Lehilahy nisandoka ho miaramila voasambotra

Tranomaizina iray ka hatramin’ny dimy taona, miampy lamandy tafakatra hatrany amin’ny sivy tapitrisa ariary no miandry ity tovolahy iray, voasambotry ny zandary tetsy Ankadindravola ity. Izany dia noho izy nisandoka ho miaramilan’ny Tafika an-dranomasina, kanefa rehefa nohamarinina dia tsy izy akory.

Araka ny fampahafantarana nomen’ny zandary dia miaramila iray ihany, izay tompon’ny trano nipetrahany no nametraka fitoriana mahakasika ity ranamana iray ity. Voalaza mantsy ny 16 septambra lasa teo izy no niangavy nipetraka tao aminy rehefa nilaza fa voatendry hiasa aty an-drenivohitra fa rehefa avy niasa tany amin’ny Tafika an-dranomasina tany Antsiranana. Rehefa nandeha anefa ny andro sy ny volana dia tsikaritr’ilay tompon-trano fa tsy mivoaka miasa toy ny rehetra ingahy. « Mitety trano fisotroana fotsiny no ahitana azy sady manao fanamiana isan’andro eo an-tànana sy ny manodidina », hoy ny vaovao. Teo no niainga ny ahiahy rehetra, ary nandeha ny fikarohana ny mombamomba azy. Fantatra tamin’izay fa zazavao miaramila efa nahavita « servisy » izy, saingy efa tany amin’ny taona marobe tany aloha tany, hoy hatrany ny vaovao, ary tsy nanohy niasa ho an’ny Tanindrazana intsony taty aoriana. Kanefa mbola nitazona hatrany ireo karazana fanamiany amin’ny maha-miaramila azy. Araka izany, natao avy hatrany ny fisamborana azy ary notanana natao famotorana ingahy, alohan’ny hanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici