Ny talata maraina teo, tokony tamin’ny fito ora sy sasany, raha nanatitra mpianatra tamin’ny fiara ny renim-pianakaviana iray no lasibatry ny jiolahy. Heverina fa efa fantatr’ilay olon-dratsy ny fotoana fanaterana mpianatra ary dia nokendreny nifanintsny tamn’izay ny fandrobàna. Tao anatin’ny fotoana fohy nametrahana ny zaza dia efa voapitsoka ny varavarana. Lasa tao ny poketran’ilay madama izay sendra napetrany tao anaty fiara. Ny tsy nampoizin’ ilay olon-dratsy tao anatin’izay rehtra izay dia ny fisian’ny olona izay nahatsikaritra ny fihetsiny ary indrindra ny nanaovany ny fandrobàna ny fiara. Nifanejehan’ny fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana teny an-toerana izy ka tratra teo amin’ny manodidina ihany. Nilaza ny olona fa efa matetika no misy ny fanendahana sy ny hala-botry eo an-tanàna ary izay koa no nandrisika azy ireo tamin’ny fametrahana ny andrimasom’pokonolona. Nanaitra ny hambo-pon’ ny olona ny fahazoana io jiolahy io. Samy nanararaotra ny nametraka fitoriana « plainte contre X » izay efa lasibatry ny asan-jiolahy. Marobe ny taratasy fitarainana izay nipetraka teo amin’ny mpitandro ny filaminana vokatr’izany. Arahin’ny olona maso akaiky ny fivoaran’ny raharaha.
D.R




