Tranona mpandraharaha iray teny amin’iny faritra Ankadindravola iny indray no lasibatry ny asan-jiolahy omaly. Tokony ho tamin’ny iray ora maraina tany ho any no nitranga ity fanafihana ity, araka ny fampitam-boavao azo teny an-toerana. Andian-jiolahy mirongo fitaovam-piadiana, izay mbola tsy fantatra isa no tonga tao amin’ity trano ity. Tamin’izany fotoana izany dia samy mbola revo tamin’ny torimasony avokoa ny olona ka tamin’izay no nanararaotan’ireto olon-dratsy ireto nihanika tamboho. Ireo mpiasa tao amin’ity tanàna ity no avy hatrany dia novonjen’ireto jiolahy ireto tsy higiaka. Mpiasa efatra no voafatotra tongotra aman-tanana. Taorian’izay dia niditra tany an-trano izy tamin’ny alalan’ny lavarangana. Ny feo nidoboka anefa no nanaitra ireo tompon-trano ka raikitra teo ny antso vonjy. Samy taitra ihany koa ireo manodidina. Nitady lalana hitsoahana avy hatrany ireto andian-jiolahy ireto teo anatrehan’izay. Araka ny fantatra dia tsy mbola nahazo na inona na inona izy ireo ankoatrana lakile. Tonga teny an-toerana moa ireo mpitandro filaminana nandray an-tanana avy hatrany ny raharaha. Efa mandeha kosa ny fikarohana ireo olon-dratsy.
m.L