- Publicité -
vendredi, septembre 19, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadinondry : Jiolahy efa-dahy mpangalatra môtô maty voatifitra

Ankadinondry : Jiolahy efa-dahy mpangalatra môtô maty voatifitra

Mamaivay ny halatra môtô ao amin’ny kaominina Ankadinondry Sakay, distrikan’i Tsiroanomandidy ao. Efa tambazotra iray, andian-jatovo maromaro, mirongo fiadiana no miara-miketrika ity halatra ity. Niditra an-tsehatra ny zandary ary efatra tamin’izay no maty voatifitra hatramin’ny omaly.

Niainga tamin’ny halatra môtô miisa telo tao Dijoux, Ankadinondry ny raharaha, nahafahana nandrava ireto andian-jiolahy ireto. Môtô « cross » roa ary « routière » iray no very, ny alatsinainy lasa teo, izay efa nifampitadiavan’ny tompony hatrany ka hatraiza. Nampandrenesina ny zandary ary nanao ny fanadihadiana rehetra entina hikarohana ireo mpangalatra sy ireto fitaovana lafovidy ireto. Nahitàm-bokany izany satria hita nisy nitondra handeha ho afindra toerana ireto môtô very ireto. Tsy nanaiky mora ny hangalàna ireo zavatra efa azony teny am-pelantanany anefa ireo mpangalatra ka namaly bontana ireo mpitandro filaminana nanakàna azy ireo tamin’ny alalan’ny tifitra. Raikitra teo ny fifanjevoana sy fifanenjehana ka iray tamin’ireo olon-dratsy no lavo teo. Tafatsoaka ny ambiny saingy voasambotra indray nony avy eo ny iray. Azo ihany koa ireo môtô miisa roa ambiny.

Nitohy ihany anefa ny fikarohana ary nandeha ny feo, hoy ny fampitam-baovaon’ny zandary fa hamaly faty ireo naman’ireto voasambotra sy maty ireto. Ny ampitson’io fisamborana io, ny alin’ny alarobia teo, dia efa nandrasana andian-jatovo maromaro, nirongo fitaovam-piadiana tao anaty kizo ireo zandary, teo Mahatsinjo, kaominina Ankadinondry. Raikitra ny fifamaliana tifitra. Tsy naharitra ela anefa izany. Tsy nisy naninona ny avy aty amin’ny zandary, ka nisy telo niampatra  tanaty rà mandriaka kosa ny amin’iretsy andian’olona. Nahitàna « basy », « nunchaku » ary solosaina tany amin’ireto olon-dratsy lavo ireto, hoy hatrany ny vaovao. Tafakatra efatra araka izany hatreto no maty voatifitra tamin’ireo voalaza fa mpangalatra môtô ireo.

Taorian’ny fitsirihana nataon’ireo tompon’andraikitra dia nomena ny fokonolona ny razana ho amin’ny fandevenana. Marihana fa tsy avy ao an-toerana ireto farany ary tsy misy mahalala azy ireo mponina tao. Mbola nisy tafatsoaka kosa tamin’ireo alina nisian’ny fifandonana mahery vaika io, izay efa eo an-dalam-pikarohana azy ny zandary.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici