- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadinondry-Sakay : Namaly ireo fanenjehana azy amin’ny fitantanany ny ben’ny tanàna

Ankadinondry-Sakay : Namaly ireo fanenjehana azy amin’ny fitantanany ny ben’ny tanàna

Manoloana ireo fanenjehana mavaivay mivoaka amin’ny haino vaky jery, mikasika ny fitantana ny kaominina Ankadinondry-Sakay, dia nivoaka tamin’ny fahanginany ny ben’ny tanàna Ramananjatovo. Laviny an-kitsirano ny filazana azy ho manao kolikoly sy manararao-pahefana. Tsy marina, hoy izy, izany, aryfanaratsiana atao azy fotsiny. Tsy misy mihitsy ny fanararaotam-pahefana, satria ny fanapahan-kevitra raisina rehetra eoanivon’ny kaominina dia tsy maintsy nolaniana teo anivon’ny mpanolotsainan’ny tanàna avokoa. Mitranga izao fanenjehana izao, hoyizy, satria misy manohintohina ny olona sasany izany fanapahan-kevitra izany. Ireto farany dia nambarany, fa misy mpanolotsainan’ny tanàna, saingy avy amin’ny antoko mpifaninana aminy. Isan’ny itsikerana azy moa ny resaka fampiharana ny drafi-pandaminana ny tanàna, na « plan d’urbanisme », izay voalazany fa nekena teo anivon’ny filankevitra, ary nahazo fankatoavana avy amin’ny « Prefecture » sy ny minisiteran’ny Fanajarianany tany. Ao anatin’izany ny fanitarana ny tanàna ka nahazoana tany 49 ha tamin’ny fanjakana, nananganana tsena sy fotodrafitrasa iombonana, tsena toy ny « pavillons » ary trano fonenana. Misy ny mitsivalana amin’izany, satria te-hahazo mihoatra noho ny rehetra ireo mpitsikera ireo. Olana iray itsikerana azy ihany koa ny mikasika sekoly tsy miankina iray ao Ankadinondry-Sakay ao. Miorina ao anivon’ny tsena io sekoly io, ka nangatahana mba hafindra toerana, ary efanomen’ny kaominina tany goavana hanorenana izany ny tompon’ny sekoly. Tsy manaiky io fandaminana io anefa ity farany ka dia lasa miteraka resa-be io raharaha io. Lavin’ny ben’ny tanàna an-kitsirano ihany koa ny filazana, fa mirongatra ny tsy fandriam-pahalemana ao anatin’ireo fokontany 22 mandrafitra ny kaominina. Tsy marina izany, hoy izy, ary efa misy ny rafitra napetraka eny anivon’ireny fokontany sy ny tanàna mba hametrahana fandriam-pahalemana maharitra any an-toerana,toy ny fametrahana dinam-pokonolona sy ny fanaovana andrimasom-pokonolona. Nahitam-bokany izany fa tsy misy intsony ny asan-jiolahy goavana any. Nanamafy izany moa ny kolonely komandin’ny Groupement Bongolava; izay nanatrika ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety nataon’ity ben’ny tanàna ity mba hitondrana fanazavana mikasika izao fanaratsiana azy izao. Toy izany koa ny solombavambakoaka, Andriamatoa Ramaherijaona, voafidy tao Tsiroanomandidy, sy ny filohan’ny Filankevitry ny Kaominina, izaynanamafy fa mankasitraka tantetraka ny zava-bita sy ny fitantanana ataon’ity ben’ny tanànan’Ankadinondry ity.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici