Ny sasany tamin’ireo toalona dia ohatra ny mbola misy nofo nanaraka. Tsy fantatra aloha hoe fasana taiza no nangalana ireo
Omaly maraina no nahitan’ny olona taolam-paty, taolan’olona, narina tao anaty fanariana fako teny amin’ny fokontany Ankaditoho. Rehefa tonga ny tompon’andrikitra isan-tsokajiny dia nisaina ireo taolana lava ireo ary nitotaly 99. Araka ny fitantaran’ny olona, nisy mpivarotra tsy lavitra teo no efa nahamarika ny fisian’ireo zavatra ireo. Nisy mpandalo ihany koa nahita ary ireny no nanaitra ny sefo fokontany. Toa napetraka maimaika ihany ireto taolona ireto. Nisy ny niparitaka ary nisy koa no mbola nifono. Raha ny tombatombana dia tamin’ny alin’ny alarobia no nisy nametraka teo ireo zavatra ireo. Nitangorona ny olona nizaha ny zavanisy. Fantatra fa misy fasana eny amin’ny manodidina eny, tsy mbola nisy nitaraina anefa ny tompony hoe nisy namaky izany fasana izany.
Tsy vao izao no nahitana taoalam-paty nisy nametraka teny amin’ny toerana samy hafa fa efa im-betska mihitsy raha ny teto an-drenivohitra no lazaina. Efa nisy izany tetsy Mahamasina anaty zaridaina, volana maro lasa izay. Tsy fantatra izay tompony na izay nanary azy teny. Ny any amin’ny faritra ambanivohitra koa dia sahala izany. Efa betsaka koa ny olona nosamborina nahatratrarana taolan’olona maty ity. Ireny ihany anefa no tratra fa izay mpaniraka na izay mpividy, tsy fantatra mihitsy hatramin’izao. Ankoatra izany, maro ny fasana nisy namaky teto amin’ny faritry ny renivohitra ary nahavarezana taolana maro dia maro.
r.s.