
Miverina mandripaka olona indray amin’izao fotoana izao ny resaka “bois rond” ary tsy tsaho intsony izy ity fa efa tena voamarina tanteraka mihitsy. Omaly maraina, manodidina ny tamin’ny 7 ora latsaka fahatelony, tovovavy iray 21 taona efa mihoson-drà no tazan’ny olona nitsirara tao ambany kirihitr’ala teny Ankaditoho. Lehilahy mipetraka teo amin’ny manodidina teo no voalaza fa nahare feona vehivavy mitaraina. Nampandre ny vadiny izy ary lasa niaraka nijery izay tena zava-misy teny an-toerana niavian’ilay feo izy ireo. Akory ny hatairany raha nahita an’ity tovovavy efa nihoson-drà. Ireto farany no nampandre ny mpiambina banky iray teo akaiky teo. Izy ireo no nitondra azy teny amin’ny hopitaly. Efa tonga teny an-toerana nanao ny “constat” ihany koa ny polisin’ny boriborintany faharoa. Voalaza fa mbola afaka niresaka tamin’ny dokotera nandray azy izy nahafahany nanome ny nomeraon’ireo ray aman-dreniny. Nampandrenesina arak’izany ny ray aman-dreniny ny amin’ny voina nahazo an-janany. Noho ny fahaverezan-drà be loatra amin’ilay tovovavy anefa dia tsy tàna intsony ny ainy, tokony tamin’ny 11 ora. Ny fanadihadiana nataon’ny mpanao gazety no nahafantarana fa novelesina tamin’ny“bois rond” no nahafaty ity tovovavy ity satria mbola tazana teo amin’ny toerana nahitan’izy ireo azy ilay hazo misy fantsika sy ny fatoram-bolo izay samy nihoson-drà avokoa. Ankoatr’izay, marihina fa feno kapaoty mbola tsy nampiasaina ihany koa niparitaka teo izay tsy fantatra mazava ny tena antony. Etsy ankilany, ny rainy, Andriamatoa Rakotoniary Jhonny, dia nitondra ny fijeriny ny zava-nihatra tamin-janany. “Amiko dia niniana novonoina ny zanako. Efa nomanina izao zavatra izao. Tsy fanaony ny mandeha mi-“cross” maraina nefa dia izay no nierany taminay rehefa niala tao an-trano izy androany maraina tamin’ny 6 ora. Mino marimarina izahay, fa nisy niantso izy talohan’io ary nandeha namonjy an’izay fotoana izay ka nandrasan’ireo tsy mataho-tody fotsiny” hoy izy nanazava. Marihina fa feno ratra ihany koa ny tenan’ity tovovavy ity ankoatra ny diana kapoka “bois rond”teo amin’ny lohany. Eny Anosibe, Ambohibarikely, izy no mipetraka ary mpianatra taona fahefatra amin’ny sampam-piofanana “Industrie agro-alimentaire” eny amin’ny ISPM ity tovovavy nisy namono ity. Nilaza ny hitory ireo ray aman-dreniny. Misokatra arak’izany ny fanadihadiana.
Niony H.