Omaly maraina no nahitan’ny mponina teny Ankadivato zazarano natao tao anaty sachet ary nariana tao anelakelantrano. Samy talanjona ny rehetra , indrindra rehefa nojerena ilay izy. Fotsy be. Dia nandeha teo ny resaka isan-karazany fa ankeviny zanaka vazaha tamina vehivavy gasy ilay izy. Efa ary tsara tokoa ilay izy izao nariana izao. Tsy nisy aina intsony ilay zazarano. Nitangorona moa ny olona nanoloana ny zava nisy. Samy nanana ny resany teo avokoa. Ao ny nilaza fa lasa fanaon’ny sasany indray amin’izao fotoana izao ny manary ireny zazarano ireny amin’ny toerana samy hafa. Nisy koa ny nampatsiahy fa vao tsy ela akory no nisy olona nanary zaza efa teraka soa aman-tsara tany anaty gabone. Tany amin’ny faritr’i Miandrivazo izany no niseho tamin’ny herinandro lasa. Fantatra ny olona nanary zanaka ary efa nosamborina. Ilay zanany kosa velona soa aman-tsara ary efa misy olona mikarakara azy.
nangonin’i r.s.