Tokantrano iray teny amin’iny faritra Ankadivato iny indray no lasibatry ny andian-jiolahy mahery vaika, ny marainan’ny talata lasa teo. Soa ihany anefa fa nisy avy hatrany ny fandraisana andraikitra nataon’ireo pôlisy avy ao amin’ny boriborintany fahatelo sy ny polisin’ny UIR, omaly vao maraina. Vokany, roa tamin’ireto andian-jiolahy ireto no voatifitra: ny iray tsy afa-manohy ny asa ratsiny intsony ary ny iray azo sambom-belona. Omaly tokony ho tamin’ny roa ora maraina tany ho any, nisy avy hatrany ny fampandrenesana nataon’ireto tompon’andraikitry ny filaminana ireto fa misy andian-jiolahy mirongo basy, mikasa hanafika tokantrano eny amin’iny faritra Ankadivato iny. Namantana avy hatrany teny an-toerana ireto pôlisy hery vonjy taitran’ny kaomisaria ireto ary nifanehatra tamina andian-jiolahy tsy latsaky ny sivy teo ho eo. Tsy nisalasala fa avy hatrany dia nanokatra ny tifitra ireto farany, sady nanafina ny fitsoahany. Efa voaofana manokana amin’izany anefa ireto pôlisin’ny UIR ireto ka tsy nitsoaka ady velively. Voatery ihany koa namaly tifitra. Roa tamin’ireto olon-dratsy no lavo, voan’ny bala. Nahita izany iretsy namany dia nanao tsoa-pe, nirifatra nandositra, namela ireto lavo ireto ho eo an-tanan’ny pôlisy. Ny iray tamin’izy ireo moa tsy tana intsony ny ainy. Raha somary nangingina ny resaka pesta, dia toa lasa nirongatra indray ny asan-jiolahy teto an-drenivohitra. Ankoatra ilay teny Anosibe dia fantatra ihany koa mantsy fa nisian’izay fanafihana mitam-basy izay teny amin’iny faritra Anjanahary sy Ampandrana iny, izay raha ny fanazavàna azo dia mety ho ireto andian-jiolahy ireto ihany. Ilay teny Anjanahary dia nahaverezana finday maromaro sy solosaina ary niaraka tamin’ny vola. Ilay teo Besarety kosa dia lasa ireo entana sarobidy rehetra, izay mitentina eo amin’ny telo tapitrisa ariary teo ho eo. Ary ity farany teo Ankadivato izay nahatratrarana ireto roalahy ireto moa dia entana mitotaly eo amin’ny efatra tapitrisa latsaka eo no lasan’ireo olon-dratsy. Mbola mitohy araka izany ny fikarohana ireo namany.
m.L