Nisy ny naratra omaly. Izany dia vokatry ny fifamaliana sy ny fifampihantsiana eo amin’ireo samy tanora izay samy milaza fa zanaky ny mpanankarena ka tsy azo atao na inona na inona. Omaly dia nitondra zava-maranitra sy « bois rond » izy ireo ary rehefa nifampihantsy hatry ny maraina dia niafara tamin’ny rombo tamin’ny fiafaran’ny tolakandro. Nitsoaka ny mpampianatra sasany tao amin’ilay sekoly akaiky teo, satria tsy nisy azo notenenina intsony izy ireo. Mitaraina ihany koa ny mponina eo amin’ny manodidina satria efa ho lava ity herisetra ataon’ny samy tanora mpianatra ity. Tonga teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana saika handamina, kinanjo nisy havan’ny iray tamin’ny mpianatra lasa nitanila indray. Raha ny fitantaran’ny mponina, dia nilaza ireo mpianatra fa mbola hitohy anio indray ny herisetra ary mety hihamafy satria samy hitondra ny namany…
D.R
Ankadivato : Mifandratra amin’ny antsy ny samy mpianatra
Articles qui pourraient vous intéresser