- Publicité -
jeudi, octobre 30, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadivato : Trano fandihizana manakotaba ny mponina

Ankadivato : Trano fandihizana manakotaba ny mponina

Mitaraina avokoa ireo mponina eny amin’iny faritra Ankadivato sy ny manodidina iny ,ny amin’ny zava-misy izay mitranga amina toeram-pandihizana iray. Nambaran’ireo manodidina mantsy fa na dia efa misy aza ilay filazana ny amin’ny tsy tokony hivorivoriana noho ny  pesta, dia mbola manohy izany ihany ity toerana ity, ary manangona tanora marobe, izay ahitana ankizy tsy ampy taona ny sasany. Tsy vitan’izay anefa, araka ny filazan’ireo mponina hatrany, fa mivoha amin’ny andro antoandro io toerana io rehefa alarobia sy sabotsy. Araka izany, dia tabataba tsy laitra iainana, teny ratsy sy ompa variraraka, no manjaka eny an-toerana. Ny tsy fandriampahalemana amin’io manginy fotsiny, hoy hatrany izy ireo. Misy amin’ireo tanora mankao amin’io trano fandihizana io mantsy, no efa mamo ka manakorontana ireo mponina eny amin’ny manodidina : manendaka, mangalatra sns. Hany ka misy fiantraikany amin’iny fiharian’ireo fokonolona eny an-toerana. Misy amin’ireo mpivarotra mantsy no avy hatrany dia manakatona ny tsenany aloha raha vao hoe misokatra io toeram-pandihizana io. Manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra araka izany izy ireo, mba hijerena ity tranga misy eny an-toerana ity.

Nangon’i m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici