Nirefodrefotra indray ny basy teny amin’iny faritra Ankadivoribe iny, ny alin’ny zoma hifoha sabotsy lasa teo. Tokantrano iray, tao Ambohimasimbola no notongavan’ny jiolahy niisa dimy nirongo basy. Poleta sy basim-borona no teny an-tanan’izy ireo. Vokany maty voatifitr’ireo olon-dratsy ny lehilahy iray, tompon-trano. Samy naratra mafy voan’ny balan’ireo jiolahy kosa ny olona telo, zanaky ny tompon-trano sy ny mpanampy azy. Vola mitentina eo amin’ny dimy hetsy ariary teo ho eo kosa no lasan’ireto olon-dratsy ireto tamin’ity fanafihana ity. Tokony ho tamin’ny sivy ora alina teo no niseho ity fanafihana narahana vono olona ity. Efa saika tapi-mandry ny iray tanana. Nivantana avy hatrany tao amin’ity trano iray ity kosa ireo jiolahy. Tsy nisy resaka fa avy hatrany dia ny basy teny an-tanan’izy ireo no nitatatata. Nandriaka ny rà. Nandoaka ny tratran’ilay rangahy ny bala, izay nahazo ny fony, ka maty tsy tra-drano. Tsy vitan’izay anefa fa mbola notifirin’ireo jiolahy ihany koa ny lehilahy tao an-trano, ka nitolefika avokoa tsy nahavita nanohitra intsony. Nanao izay danin’ny kibony izy ireo nikaroka ireo vola tao an-trano, ka nahazoan’izy ireo, ireo lelavola ireo. Tonga teny an-toerana ny zandary tao Ankadivoribe sy ny tao Andoharanofotsy raha vao naharay ny fisian’ilay fanafihana. Saingy tsy hita tany nanjavonana intsony ireo olon-dratsy. Nanantanteraka sahavao avy hatrany ireo mpitandro filaminana, hikarohana ireo jiolahy. Misokatra araka izany ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity. Nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana kosa ireo naratra.
m.L