Teo am-pisokirana ny varavaran’ilay tsena mihitsy ireto olon-dratsy no henon’ny tompon-trano. Niantso pôlisy avy hatrany ity farany. Vokany, iray tamin’ireo mpamaky trano no voasambotra. Ny alarobia alina teo no nitrangan’izany tetsy Ankadindramamy araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena. Mahazo vahana tokoa amin’izao ny hala-botry sy vaky trano amina faritra maromaro eto amintsika, anisan’izany ity faritra Ankadindramamy, Ambatomaro sy ny manodidina iny. Tamin’ity indray mitoraka ity, dia fivarotana no nezahan’ireo mpanao ratsy novakiana, tokony ho tamin’ny valo ora alina teo. Mbola tsy natory anefa ny tompon-trano tamin’izany ary naheno tsara ireo mpangalatra. Tsy sahy nivoaka anefa izy ireo noho ny tahotra ka niantso pôlisy. Mbola teo am-pikononkononana ny hibatana entana ireo olon-dratsy no tonga ireo mpitandro filaminana. « Vao nahita ireo Polisy ireto jiolahy, dia nirifatra nandositra ka ny iray tamin’izy ireo no tra-tehaka rehefa nifanenjehana » hoy ny fampitam-baovao. Tamin’ny fanadihadiana ity farany no nahafantarana, fa nisy vola manodidina ny dimy alina ariary teo ho eo no very tao an-tsena ary tratra tany amin’ity olona voasambotra ity. Mbola eo am-pikarohana ireo namany hafa moa ny pôlisy ankehitriny, araka ny vaovao azo hatrany.
m.L