Nandritra ny fisavàna ny tranony no nahitàna ravim-bola vahiny amerikana : dôlara. Ankoatra izay dia mbola nisy ravin-taratasy mitovy habe tanteraka amin’ireo vola vahiny saron’ny mpanao fanadihadian’ny zandarimaria tao. Niainga tamin’ny vaovao azon’ny zandary avy ao amin’ny borigady Antananarivo-Renivohitra ny fanadihadiana. Mpanaparitaka devizy sandoka eto an-drenivohitra no niahiahiana an’ilay lehilahy ary amidiny 300.000 ariary ny vola sandoka 100 dôlara. Dia misy roboka tokoa ao anatin’izany kanefa tsy mifanalavitra firy amin’ny sandany tena izy akory ny elanelana. Natao ny vela-pandrika, nantsoina ilay lehilahy ary nolazaina fa misy takalo hatao. Voasambotra ary dia niaiky tokoa ny heloka nataony. Heloka bevava ary mampigadra mandra-pahafaty ny fanaovana vola sandoka eto amin’ny firenena. Mbola mety hiampy vesatra hafa koa aza izany raha toa ka mitory ny masoivohon’ilay firenena voakasika. « Tsy nahitàna masinina fanaovana dika mitovy tao amin’ny tranon’ilay olona nosamborina. Na izany aza, ny fahitàna ilay vola sandoka dia efa manaporofo ny heloka nataony. Na iray fotsiny aza no saronay tao dia efa izy azo itazomana azy, raha araka ny fanazavan’ny zandarimaria. Zavatra roa no ahiana amin’ny fanaon’ity lehilahy ity. Ny voalohany dia mety ho manana tambajotra mpanao vola sandoka izy saingy mbola miririaria any aloha ireo miaraka amin’ny fitaovana fampiasany. Ny faharoa kosa dia mety ho manam-pahaizana amin’ny fanova-maso izy, mety manamarina izany ny fisian’ny taratasy mitovy (500 isa) taorian’ny dôlara izay nampiasainy ka sarona tao an-tranony. Na izany aza anefa mbola tsy nisy aloha ny fitoriana tonga teny amin’ny zandary momba ity raharaha ity. Azo heverina koa izany fa vao nikasa ny hamitaka olona ny tenany io voasambotra io. Na izany aza dia miparitaka tanteraka ny vola sandoka amin’izao fotoana izao. Tamin’ity no haingana indrindra ny fisian’ny vola sandoka, fotoana fohy taorian’ny nivoahan’ny vola tena izy.
D.R