Nirefodrefotra ny basy omaly ka nampisahotaka an’i Mandroseza sy Ankandindratombo. Ny anton’izany dia ny fisian’ny fifampitifirana teo anivon’ny jiolahy sy ny mpitandro ny filaminana, ny pôlisy eo anivon’ny Brigade Criminelle ao anivon’ny sakelika fahefatra (BC4). Efa niainga tany atsinanan’i Mandroseza no nifanenjika izy ireo ary teo Ankandindrantombo no voatifitra ireo efa-dahy. Nirefodrefotra hatrany ny basy mandra-pahatongan’ny tamin’ny roa ora latsaka. Teo imason’ny mpandeha an-tongotra sy ny mponina eny an-toerana avokoa no nisehoan’izany rehetra izany. Lavo ny efa-dahy ary tafatsoaka kosa ny roa tamin’ireo jiolahy. Mpanao fanafihana, mpanao kidnapping, saika hikendry sinoa mpividy vato, saika hanafika mpivaro-kena. Nandeha avokoa ny tombana teo an-toerana. Samy mipetraka eo amin’ny manodidina ilay toerana avokoa mantsy ireo. Ny pôlisy no nanamarina fa jiolahy efa nanao fanafihana maro teto an-drenivohitra i Saïd, Joro, Gue, Andry sy ny namany hafa. Isan’izany ny fandrobana grossiste tetsy 67 ha sy ny fanafihana sinoa teny Analamahintsy. Efa nanomboka ny talata teo izy ireo no narahi-maso ary tena nitombina tokoa ny ahiahin’ny pôlisy nanomboka tetsy Mandroseza. Basy kalachnikov sy PA no teny amin’ireo olon-dratsy, raha araka ny fanamarihana hatrany. Ankoatra izany dia mbola nahitàna antsy lava sy fitaovana famakiana trano toa ny baramina ihany koa teny amin’izy ireo. Nandeha ihany koa ny feo omaly fa nisy pôlisy iray voatifitra nandritra ny savorovoro. Toe-javatra izay nolavin’ny pôlisy. Mbola mandeha ny fikarohana ireo roa tafaporitsaka hatramin’ny omaly. Avy aiza ihany no hahitàn’ireo olon-dratsy PA sy Kalachnikov? Raha tsy mazava ny paika entina miady amin’ny fihanaky ny fitaovam-piadiana, inoana fa tsy ho tapitra mihitsy ny asan-jiolahy eto an-drenivohitra. Raha ny marina mantsy dia efa mitovy ny herin’ny mpitandro ny filaminana sy ny jiolahy raha amin’ny fitaovam-piadiana ampiasaina. Ny fahaizana sisa no tsy mitovy…
D.R