- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAnkarafantsika : Mpimasy iray indray no voasambotra

Ankarafantsika : Mpimasy iray indray no voasambotra

Paik’ady efa napetrak’ireo mpitandro filaminana ny famongorana hatramin’ny fakàny ireo dahalo any amin’ireo faritra mena amin’ny resaka tsy fandriampahelamana. Anisan’ireny ireo mpilalao ody ratsy, izay isan’ny manome vahana ireo tontakely. Tany amin’iny distrikan’Ambatoboeny iny dia fantatra fa mpimasin-dahalo iray indray no voasambotry ny miaramila avy amin’ny ZDS Ankarafantsika. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Tafika Malagasy dia tra-tehaka ny faran’ny herinandro teo ity lehilahy iray, rehefa nisy ny fampitam-baovao nomen’ireo fokonolona tany an-toerana. Noraisim-potsiny tao amin’ny tanànan’Ambalambakisiny, kaominina Andranofasika ity lehilahy ity, izay voalaza fa isan’ireo mpiray tsikombakomba amin’ny dahalo no mpamatsy ody gasy an’ireto farany ihany koa. Nidina avy hatrany tany an-toerana, taorian’ny fahazoana ny vaovao moa ireo miaramila mpampandry fahalemana ireto taorian’izay. Araka ny vaovao azo hatrany dia mbola sarona tao amin’ity mpimasy ity ny ody gasy sy moara maromaro. Nosamborin’ireto mpitandro filaminana ireto avy hatrany moa ingahirainy ary natolotra ny zandary ao Andranofasika, mba hanaovana famotorana lalina.

Tsiahivina fa efa maromaro ihany ireo mpimasy miara-miasa amin’ireo olon-dratsy no efa voasambotra nandritry ny volana maromaro izay. Ny vao haingana indrindra, talohan’ity voasambotra tany Ambatoboeny ity, dia ilay rangahy voasambotry ny pôlisy tany amin’iny faritra Anôsy iny. Marihana hatrany fa isan’ny mampirongatra ny asan-dahalo ny fisian’ireny olona mpilalao ody ireny, izay tena itokian’ireo dahalo tokoa, amin’ny ody omeny, amin’ny fanantanterahana ny asa ratsiny.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici