- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAnkarafantsika : Voay navotan’ny zandary

Ankarafantsika : Voay navotan’ny zandary

Tsy maty ilay voay izay niakatra an-tanety, ka voahosin’ny « taxi-brousse » iray tao Ankarafantsika, ny 19 aogositra teo. Nisy ny olona izay nikasa ny hamono azy, saingy nosakanan’ny zandary izany. « Manodidina ny telo metatra eo ny halavan’ilay biby ; izay heverina ho nivoaka avy ao amin’ny Lac Ravelobe. Niampita ny làlana izy no nifanehitra tampoka tamin’ny « taxi-brousse » ary dia voahitsaka sy tafajanona tao ambanin’ilay fiara. Nampijanona ny fifamoivoizana izany ka nahatonga ny olona ny saika hamono azy » raha araka ny fanazavan’ny zandary. Ireto farany dia nanao asa fisafoana no nahita tampoka ny zava-nitranga. Voatery niditra an-tsehatra avy hatrany tamin’ny fiarovana an’ilay biby avy ao amin’ny faritra arovana no nandamina ihany koa ny fifamoivoizana. Tsy nisy nahasahy nikitika ilay biby, na ny tompon’andraikitra avy ao anatin’ialy faritra nisy aza dia nanome alàlana anay, ny hiditra an-tsehatra avy hatrany.Raha araka ny zandary avy any an-toerana hatrany. Avotra ihany ilay biby rehefa nampiakarina tamin’ny « cric » ny fiara ary navadika ny tenany. Nitsoaka avy hatrany tany anatin’ny alan-javaboahary na dia nisy ratra maromaro aza tamin’ny tenany. Nisokatra ihany koa ny fifamoivoizana ary afaka nanohy ny lalany ireo fiara izay nizotra nankany Mahajanga.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici