- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAnkaraobato : Lasa ny vola sy volamena, maty ny raim-pianakaviana

Ankaraobato : Lasa ny vola sy volamena, maty ny raim-pianakaviana

Tao anatin’ny fotoana fohy monja dia nivadika ho maloka tanteraka ny fiainan’ny tokantrano iray. Tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina, ny alarobia teo, no tonga ny olon-dratsy miisa telo. Ny iray amin’ireo dia nitam-basy raha toa ka antsy lava ny an’ny ambiny. Rehefa tafiditra tao amin’ilay tokantrano ireo mpanafika dia norahonana, toy ny mahazatra, ny olona tao anatiny. Tao anatin’izay fotoana izay anefa, raha araka ny fanazavana azo tamin’ny mpitandro ny filaminana, dia nisy fanoheraha avy amin’ny raim-pianakaviana. Teo no tsy nisalasala na dia kely akory aza ireo jiolahy ny nanatsatoka antsy azy. Nijininika eran’ny trano ny rà ary tsy mba nisy antra na ny kely akory aza ireo mpanafika, ny mba namela ny fianakavian’ny naratra mba hanavotra azy. Nojerem-potsiny teo ilay rangahy lavo tamin’ny tany ary niady tamin’ny fahafatesana. Rehefa tena lasa ireo vao natao ny famonjena sy ny fiezahana hitondra azy teny amin’ny toeram-pitsaboana saingy efa tara loatra. Izany horohoro sy fahoriana izany no niainan’ity fianakaviana ity tao anatin’ny minitra vitsy monja, minitra vitsy izay hijanona tanteraka ao anaty lohan’izy ireo satria niainany ary hitan’ny masony ny nahafaty ny iray tamin’izy ireo. Rehefa vita ny herisetra sy ny vonoan’olona dia tsy namelan’ireo jiolahy raha tsy azony ny vola izy mitentina telo tapitrisa ariary tao amin’ilay trano. Tsy izay ihany fa nitohy tamin’ny fandrobàna ny firavaka sarobidy sy ny volamena tao. Mitentina 100 girama any ho any ny vesatry ny volamena izay lasan’ireo olon-dratsy nandritr’ity fanafihana ity. Miaina tanteraka anaty horohoro ny olona vao milentika ny masoandro. Fanindroany izany tamin’ity herinandro ity no nisy raim-pianakaviana maty novonoin’ny jiolahy nandritry ny fanafihana mitam-piadiana izay nataony.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici