- Publicité -
jeudi, juillet 17, 2025
AccueilFaits-DiversAnkaraobato : Mpampianatra maty voatsatoka antsy

Ankaraobato : Mpampianatra maty voatsatoka antsy

Vehivavy iray no fantatra fa namoy ny ainy, vokatry ny fanafihan-jiolahy nitranga teny Ankadilalampotsy Ankaraobato, ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo. Andian-jiolahy maromaro, nirongo zava-maranitra no tonga tao amina tokantranona mpampianatra iray teny an-toerana, tokony ho tamin’ny roa ora maraina tany ho any. Amboletra no nidiran’ireto andian-jiolahy ireto tao amin’ity trano ity. Angamba somary namaly ilay ramatoa ka tsy nisalasala mihitsy ireto olon-dratsy, nanatsatoka antsy azy. Tsy navelan’ireto farany raha tsy namoy ny ainy tanteraka ity tompon-trano ity. Araka ny angom-baovao azo, dia mipetra-drery ity mpanabe ity, ary angamba efa arak’ireo olon-dratsy tanteraka izany. Entana, vola ary izay zavatra sarobidy rehetra tao amin’ity tokantrano ity dia nalain’izy ireo avokoa. Nanararaotra tanteraka mihitsy izy ireo nibata izay zakany. Tsy nisy naheno rahateo ny fidiran’ireo jiolahy tamin’ilay trano sy ny nanaovan’izy ireo izany asa ratsiny izany. Ny maraina vao nisy nahatsikaritra ny zava-niseho tao amin’ilay trano. Efa tonga teny an-toerana nanao ny fizahana ifotony ary nanao ny fanadihadiana rehetra moa ireo pôlisy avy eny amin’iny faritra iny. Ny pôlisy misahana ny heloka bevava etsy Anosy kosa no miandraikitra ny famotorana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici