- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkaraobato : Namono vady, nosamborin’ny pôlisy

Ankaraobato : Namono vady, nosamborin’ny pôlisy

Lehilahy iray 30 taona, izay voasambotry ny pôlisy, tetsy Ankaraobato ity. Raha ny fampitam-baovaon’ny pôlisy, nahazo antso izy ireo mahakasika ny fisiana lehilahy iray, manao herisetra amin’ny vadiny. Niditra an-tsehatra avy hatrany ny pôlisy avy eo anivon’ny kaomisaria teo Tanjombato nankany amin’ilay toerana sy nanamarina ny zava-nisy. Teo am-panaovana izany herisetra izany tokoa ny lehilahy no tonga ireo mpitandro filaminana ary nisambotra azy avy hatrany. Naratra mafy ny vadiny, hoy hatrany vaovao azo ka voatery nentina nihazo ny biraon’ny pôlisy ity lehilahy ity ho amin’ny famotorana azy.

« Tokantrano fihafiana ». Efa somary diso kely izay fomba fiteny izany amin’izao fotoana izao, indrindra fa raha vao miompana amin’ny herisetra ny resaka. Herisetra izay misy karazana telo : ny herisetra ara-nofo, ny herisetra ara-môraly ary ny herisetra ara-bola. Araka ny lalàna velona miady amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy mantsy dia afaka henjehina soa aman-tsara ny olona iray tompon’antoka amin’izany herisetra izany, n’iza n’iza. Ny somary manahirana indraindray dia ny hoe maro amin’ireo lasibatra no tsy sahy mitoroka eny anivon’ny ireo tompon’andraikitra, indrindra fa ireo vehivavy hiharan’ireo karazana herisetra ireo, noho ilay fihetsem-po sy ireo karazan-javatra maro. Na izany aza anefa, azon’ny manodidina atao tsara ny mampilaza ireo manam-pahefana raha misy trangana herisetra mianjady sy hita eo amin’ny fiaraha-monina.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici