- Publicité SW45 -
mercredi, juillet 3, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkaraobato : Nasesin’ny jiolahy notafihana ny trano telo

Ankaraobato : Nasesin’ny jiolahy notafihana ny trano telo

Trano telo no indray vaky tao anatin’ny alina iray tetsy Ankaraobato. Mety mbola ho nitombo aza izany raha tsy nanohitra ny tompon-trano  tao amin’lay tokantrano farany. Ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy teo no nitrangan’ny fandrobana. Tao amin’ny voalohany dia tsy namelan’ireo olon-dratsy, tokony ho eo amin’ny enina ka hatramin’ny valo eo ny isany, raha tsy lasa hatramin’ny akoho amam-borona. Vita izay dia nivadika tao amin’ny trano faharoa indray ireo nanao ny asaratsiny. Nisy vola lasa sy kojakoja samihafa koa tamin’io fotoana io. Raha handeha hivadika tao amin’ny trano fahatelo amin’izay ireo jiolahy no nianjera teo ambonin’ny fiara misy fiandry (alarme). Io no naneno ka nanaitra ny tompon-trano, izay nivoaka avy hatrany. Raikitra ny fifandonana teo amin’ny roa tonta  ka nitarika ny faharatran’ilay tompon-trano. Na izany aza anefa dia nisy dikany ihany izany,satria lasa nitsoaka avokoa ireo olon-dratsy taorian’ity fifandonana ity. Efa matetika nandalovan’ny jiolahy ity toerana etsy Ankaraobato ity. Raha ny fanamarihan’ny tompon-trano aza dia efa in-telo izay no nisy nandroba toa izao teo amin’ny manodidina sy tao an-tranony. Entin’izy ireo milaza izany fa tsy milamin-tsaina intsony ity tanàna ity noho ny afitsoky ny olon-dratsy. Nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana ny naratra ary nantsoina koa ny mpitandro  filaminana tao anatin’izay rehetra izay.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser