- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversAnkaraobato – Tanjombato : Fatim-behivavy tapa-doha, tapa-tongotra ary tsy nisy taova intsony

Ankaraobato – Tanjombato : Fatim-behivavy tapa-doha, tapa-tongotra ary tsy nisy taova intsony

Vehivavy iray, zara raha fantatra ho olombelona, no hita faty teny amin’iny faritra Ankaraobato iny omaly, tokony ho tamin’ny folo ora maraina. Mampihoron-koditra tanteraka  ity zava-nitranga ity.

Efa simba be mantsy ny razana. Tsy vitan’izay anefa fa mbola tsy nisy tongotra havanana, tsy nisy tanana intsony, tapa-doha ary tsy nisy taova intsony ihany koa tao anatiny. Somary nafenina tao anaty kirihitra kely teo amoron’ny kianja filalaom-baolina ity fatim-behivavy ity ary ireo mpanao baolina teny an-toerana no nahita izany seho mahatsiravina izany voalohany ka nampilaza avy hatrany tamin’ireo tomponandraikitry ny filaminana teny an-toerana. Nisy avy hatrany moa ny fidinan’ireto farany teny amin’ny toerana voalaza. Raha ny tombatomban’ireo tompon’andraikitra teny an-toerana dia efa ela ihany ity vehivavy ity no namoy ny ainy. Porofon’izany ny fitrakitrakin’ireo taolana efa nangilam-potsy. Ary tsy teo amin’io toerana ihany koa izy no maty fa tany amin’ny toeran-kafa ary natsipy teo angamba rehefa tsy nisy nilàna azy intsony. Mazava ho azy fa tsy maintsy novonoina izy io, hoy hatrany ny vinavinan’’ireo mpanao fanadihadiana, ary angamba ihany koa naolanan’ireo tsy valahara talohan’ny namonoana azy. Marihana fa tsy misy akanjo intsony teny aminy, ankoatra ny kilaoty kely tavela teo amin’ny ilan-tongony. Voalaza ihany koa aza moa fa hoe efa tsy tao intsony ny taovam-pananahany.

Tsy mbola nisy tranga mampivarahontsana toa io teny an-toerana raha ny filazan’ireo mponina nanatri-maso ny zava-nisy. Hatreto ihany koa dia samy manontany tena avokoa ny rehetra hoe: iza ity vehivavy hita faty ity? Tsy nisy azo namantarana azy intsony mantsy ny tarehiny fa efa nivadika ho karan-doha fotsy sisa, navelan’ny andro. Tsy nisy taratasy mombamomba azy rahateo tany aminy. Araka izany, nanao ny fizahana dia nanatitra ity razana tany amin’ny tranom-paty no hany sisa azon’ireo tompon’andraikitra natao. Na izany na tsy izany anefa dia tsy maintsy nisy ny fanokafàna ny fanadihadiana sy ny famotorana rehetra mahakasika ity tranga ity, izay inoana fa asa be tokoa ho an’ireo mpitandro filaminana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici