- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAnkaraobato : Voasambotra ihany ny mpisoloky « mobilemoney »

Ankaraobato : Voasambotra ihany ny mpisoloky « mobilemoney »

 Tao anatin’ny tapa-bolana fotsiny dia efa nahazoany 40 tapitrisa ariary ilay asa fisolokiana, raha araka ny tatitry ny polisy misahana ny cybercriminalité. Tao anatin’ny famotorana dia voaporofo fa 50.000 ariary ny kely indrindra azony ary efa mihoatry ny roa tapitrisa isaky ny mandeha ny sasany. Manara-maso eny amin’ireny kioska fangalam-bola ireny no ataony voalohany. Eny izy no mifidy izay haripany avy amin’ny alàlan’ny fitsongoana dia sy fanaraha-maso. Tonga hatramin’ny fangalàna sary an-tsokosoko ny olona izay mampiditra « code » mihitsy raha vao misy tsy mailo na tsy mahatsikaritra. Iny tarehimarika tsiambaratelo iny avy eo no ampiasainy ary hamotsiany ny ao anaty kaonty. Indraindray koa dia mody manao mpiasan’ny orinasam-pifandraisan-davitra izy ary milaza amin’ny olona fa tsy ho ela dia hakatona ny kaonty satria misy anarana diso. Mikoropaka ny olona sasany ary eo no manamora ny asaratsin’ilay mpisoloky. Hangatahany ny « code » ka raha sendra misy tsy mahatakatra ilay asaratsy dia fotsy ao anatin’ny indray mipi-maso ny kaonty. Betsaka ny fitoriana ilay olona izay tsy hita maso. Fanadihadiana nataon’ny polisy miandraikitra ny heloka amin’ny fitaovaba fifandraisan-davitra (cybercriminalité) no nitarika tamin’ny nahasamborana ilay olon-dratsy izay tsy afa-niala intsony satria nitombina avokoa ny porofo nitazomana azy. Efa nidoboka am-ponja ilay olon-dratsy rehefa natolotra ny fampanoavana

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici