Tato ho ato, dia nirongatra be ny zaza very teto an-drenivohitra. Ary ny mahagaga ny mpanara-baovao maro, dia zaza manodidina ny 12 ka hatramin’ny 14 taona hatrany no matetika tsy hita, ary tovolahy avokoa ny ankamaroan’izy ireo. Afak’omaly, zazalahy iray 13 taona, antsoina hoe : Andriamamonjy Fanirisoa Valimbavaka no mbola tsy hita popoka hatramin’izao, ka atao : « ombay mitady » ao amin’ny tambazotran-tserasera « facebook ». Raha ny vaovao voaray, dia niala tao an-trano fonenany tetsy Ankaraobato, Distrikan’ Atsimondrano, ny marain’ny talata teo ity zazalahy ity, izay tsy nanana olana velively tamin’ny fianakaviany. Gaga anefa ny Ray aman-dreniny avy nirava niasa ny hariva tsy nahita an’i valimbavaka tao an-trano, ka nanontany ny zokiny roa vavy, ary nilaza ireto farany « lasa izy ny maraina ary tsy mbola niverina. » Raha ny fantatra, dia nanao akanjo « blouson carreau beige » sy manga misy « capuchon » ity zaza ity niala ny trano fonenany, ary nanao « short bleu marine » sy kapakapa manga.
Eric Manitrisa