Olona valo ka vehivavy ny iray tratra tao amina trano iray teny Ankasina 67 Ha nitsindrona irony karazana rongony avo lenta antsoina hoe “heroine” irony. Ny loharanom-baovao no nahafantarana, fa mpivady no mivarotra ireo zava- mahadomelina ireo ary anisan’ireo valo tratra izy roa ireo. Ny tranon’izy mivady ireo no toerana fitsindronana. Nahafantatra izany vaovao izany ny polisy misahana ny ady atao amin’ny fihanaky ny zava-mahadomelina, ka naka taratasy (ordre de pérquisition) tany amin’ny fitsarana. Ny talata 10 novambra lteo no tonga tany amin’ilay trano ny mpitandro filaminana, nanao ny fisavana tamin’ny 5 ora hariva. Tamin’ny tsy nampoizin’ireo mpitsindrona rongony vazaha izany, ka tratra teo ny mpanjifa enina sy izy mivady. Hita tao amin’ilay trano koa ny “héroïne” 5 gr. Tamin’ny fanadihadiana natao ny tompon’ny trano no nahafantarana, fa vidiany 220 000 ariary tany amin’izany Ramaître izany ny iray grama. Avy eo amidiny 10 000 ariary ny 0,1 grama. Ny vaovao hatrany no nahafantarana, fa sady mivarotra izy mivady no mitsindrona. Nolazainy koa fa, teo amin’ny enim-bolana teo no nivarotany “héroïne”. Ireo enin-dahy tratra indray dia niteny, fa am-bolana maromaro no nitsindronan’izy ireo tao amin’ireo mpivarotra. 20 hatramin’ny 25 taona ry zalahy ireo ary mbola mpianatra avokoa. Araka izany, manomboka miely eto amintsika ity karazana zava-mahadomelina mahery ity. Ny tena manahiran-tsaina ny rehatra dia ireo tanora mpianatra no tena lasibatra amin’izany. Mipetraka ny fanontaniana, aiza no ahitan’izy ireny vola amidy izany?
Omaly alarobia no natolotra ny Fitsarana izy valo ireo.
nangonin’i r.s.