Nitrangana fanafihan-jiolahy indray omaly alina teny amin’ny faritra 67 ha Atsimo Toeram-pivarotana telo nifanila, izay samy amoron-dalana, no lasibatra nasesin’ny jiolahy norobaina. Tranom-barotra ny roa ary fivarotana fahana sy fandefasam-bolan’ny Aitel ny iray. Tsy nisy naheno ny zava-nitranga tamin’io alina io, hoy ny teny amin’ny manodidina, fa ny trano efa nibanaka ny maraina no nanaitra ny rehetra ary nanomboka nitangorona ny olona. Gaga hatramin’ny tompon-trano. Tato ho ato, hoy ny eo anivon’ny fokontany, dia nirongatra ny vaky trano sy ny asa ratsy samihafa toy ny fanendahana sy sinto-mahery, ary manginy fotsiny ny fanolanana, noho ny fiparitahan’ny rongony, satria betsaka ny tanora mandray izany miroso amin’ny asa ratsy. Iny faritra iny koa rahateo koa maizina, zara raha misy jiro manazava, (éclairage public). Vokatr’izany miaina ao anaty horohoro ny mponina, toa tsy misy mpiaro sy mpiahy intsony.
Manitrisa