- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAnkasina : Andiana mpanendaka miaraka amin’ny antsy lava lela

Ankasina : Andiana mpanendaka miaraka amin’ny antsy lava lela

Tsy vitsy tokoa ny mikaikaika ny amin’ny ataon’ny mpanendaka eny amin’iny faritra 67ha iny, indrindra , fa eny amin’iny kartie Ankasina sy lalam-baovao iny. Vao ny faran’ny herinandro teo ireo polisy no nahatratra lehilahy iray antsoina hoe Ibrahim, efa mpanendaka rain-dahiny eny an-toerana. Tratra niaraka tamin’ny antsy lavalela iray, izay fampiasany amin’ny asa ratsy ataony miaraka amin’ireo namany.

Nambaran’ny avy eo anivon’ny polisim-pirenena, fa efa hain’izy ireo tsara ny fisian’ireo andiana mpanendaka miaraka amin’ny antsy lavalela eny an-toerana ireo, ka raha vao maheno vaovao izy ireo nidina avy hatrany teny an-toerana. Tamin’izay fotoana izay indrindra, ny zoma lasa teo, raha mbola teo am-piomanana ny hanao ny asa ratsiny ireto  mpanendaka telo lahy no tonga ny polisy. Nanao tsoa-pe nandositra ireo namany, fa ity antsoina hoe Ibrahim ity no tra-tehaka tsy afa-niala intsony. Araka ny fantatra, talohan’io dia efa nahavoa lehilahy iray handeha hody izy ireo, tokony ho tamin’ny valo ora alina tany ho any. Lasan’izy ireo tamin’izany, araka ny vaovao azo hatrany ny kitapon’io lehilahy io izay nisy vola mitentina eo amin’ny sivy hetsy ariary teo ho eo, niaraka tamin’ny antontan-taratasy marobe. Tsy tratra tany aminy intsony moa io kitapo io, fa nentin’ireo namany nitsoaka angamba. Efa mandeha ny fikarohana ireto namany ireto, araka ny fampitam-bavao avy tamin’ny polisy hatrany. Naiditra am-ponja vonjimaika moa ity mpanendaka rain-dahiny sy efa mpamerin-keloka ity, miandry indray ny fotoam-pitsarana azy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici