- Publicité -
mardi, mai 20, 2025
AccueilFaits-DiversAnkasina : Fanafihana ireo mpitondra fiara, mpanendaka telo voasambotra

Ankasina : Fanafihana ireo mpitondra fiara, mpanendaka telo voasambotra

Vao migadona ny hariva, miferonaina avokoa ireo mpampiasa lalana eny amin’iny faritra Ankasina, mivoaka aty Andohatampenaka, ary mihazo an’Ampasika iny. Teo aloha teo mantsy, nalaza ratsy ireo toerana ireo amin’ny fanendahana anaty fiara na fanafihana ireo mpamily arahana fitaovam-piadiana mahery vaika. Nisy avy hatrany ny fepetra noraisin’ny kaomisaria misahana iny faritra iny, ny amin’ny fanisiana pôlisy, miambina ireny faritra ireny sy ny mba tsy hisian’ny fitohanana intsony. Nisy ny vokatra. Efa maromaro ihany ireo mpanendaka tratra teny amin’ireo faritra ireo. Omaly alina, tovolahy iray no tratra am-bodiomby teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy teny amin’iny faritra Ankasina iny. Andohatampenaka, Ampasika : roalahy teo am-panendahana ny mpiasan’i Gastro nandeha nody, no voasambotry ny pôlisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany faha-7. Raha ny fanazavana azo hatrany dia saika efa mpamerin-keloka avokoa ry zalahy ireto. Inoana tokoa fa efa mahazo mandry ivohon’ny vato ireo mponina sy ireo mpampiasa iny lalana iny araka izany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser