Nihena iray indray aloha hatreto ireo rain-dahiny amin’ny asa ratsy, fanendahana sy fanafihana mitam-piadiana eny amin’iny faritra Ankasina iny. Faritra izay efa malaza loatra amin’ny tsy fandriampahalemana. Lehilahy iray, izay efa malaza loatra ary tadidin’ireo efa lasibatra no lavon’ny balan’ny pôlisin’ny UIR, ny alin’ny alatsinain’ny pantekôty teo. Raha ny fanazavana azo, tokony ho tamin’ny sivy ora alina tany ho any, dia nahazo antso vonjy ireo hery vonjitaitran’ny pôlisin’ny kaomisaria, ny amin’ny fisiana olona roa voaendaka sy voavono teny amin’iny faritra Ankasina, 67ha iny. Telo ireo nanakana, raha ny vaovao hatrany, ary nitondra zava-maranitra. Voatsindron’antsy teo amin’ny tànany sy teo ambany masony ilay rangahy, raha voadarodaroka tsy nisy antra kosa ilay vehivavy niaraka taminy. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany ny rojo volafotsy sy ny vola tany amin’ireo olona ireto. Niditra an-tsehatra avy hatrany ny UIR, tonga teny an-toerana, namonjy ireo naratra ary nanao ny savahao ny manodidina. Tadidin’ireto niharam-boina tsara ny endrik’ireo olon-dratsy, izay tsy nisaron-tava rahateo tamin’io fotoana io. Tamin’izay fisafoana izay indrindra no tojo lehilahy roa, izay mitovitovy tamin’ny fanazavana nomen’ireo voendaka ireto pôlisy ireto ary dia niroso avy hatrany tamin’ny fisavana. Nitsoaka avy hatrany anefa ireto farany, nihazo ny elakelan-tranon’Ankasina. Na teo aza ireo fampitandremana marobe nataon’ireto mpitandro filaminana ireto, dia tsy nety nijanona ireo olon-dratsy, hany ka voatery nitifitra izy ireo. Ny iray tamin’ireo nitsoaka no lavo avy hatrany, raha tafaporitsaka kosa ilay namany. Mbola tratra teny amin’ity jiolahy maty voatifitra ity moa ireo antsy lava lela roa fentin’ireo manao ny asa ratsiny. Nambaran’ireo niharam-boina ihany koa, fa tena ity voatifitra ity ny iray tamin’ireo nanendaka sy namono azy ireo. Mbola mitohy hatreto ny fikarohana ireo namany hafa, izay marihuana, fa isan’ny lehiben’ny jiolahy eny amin’iny faritra Ankasina, 67ha sy ny manodidina iny.
m.L