- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAnkasina : Kilemaina maty kilan’ny afo

Ankasina : Kilemaina maty kilan’ny afo

Nisehoana hain-trano nahafaty olona teny amin’ny faritra Ankasina ny alatsinainy teo. Lehilahy iray kilemaina no may irery tao amin’ny trano hazo nipetrahany. Tsy fantatra mazava ny antony nampirehitra ilay trano hatramin’izao. Hitan’ny olona izany ary samy niezaka namonjy. Efa tsy nisy azo natao intsony anefa ny famonjena ilay olona. Raha ny fijery ilay razana, hoy ireo izay nahita, dia toa efa niezaka niantso sy nanavo-tena ihany ity lehilahy ity fa tsy afaka. Teo ambony fandriany no nahitana ny razana. Efa tonga teny an-toerana moa ny avy ao amin’ny BMH naka ny vatana mangatsiakan’ilay olona. Nentina teny amin’ny tranom-paty HJRA ary omaly maraina no efa nalain’ny havany.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser