- Publicité -
vendredi, mai 30, 2025
AccueilFaits-DiversAnkasina : Lehilahy 60 taona, maty nodomin’ny fiara

Ankasina : Lehilahy 60 taona, maty nodomin’ny fiara

Nandriaka indray ny rà teny amin’ny lalam-baovao, teny amin’iny faritra Ankasina iny, ny alin’ny talata lasa teo. Lehilahy lehibe iray tokony ho 60 taona any ho any no namoy ny ainy, rehefa nodomin’ny fiara iray teny an-toerana. Tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany tany ho any no nitranga ny loza raha ny fantatra teny an-toerana. Somary maizina ihany moa iny lalana iny, ary mazàna dia mandeha mafy avokoa ireo fiara mindrana azy iny, noho ny tahotra ny tsy fandriampahalemana, izay efa malaza loatra eny amin’iny faritra iny etsy andaniny ary fitiavana te handeha mafy kosa etsy ankilany. Tamin’izay fotoana izay indrindra anefa, sendra nisy mpandeha tongotra iray niampita ilay arabe. Tsy tazan’ilay mpamily izy io, izay tao anaty haizina, raha ny fanazavàna azo hatrany. Tsy azo nihodivirana araka izany ny loza. Mafy dia mafy ny dona nahazo ilay rangahy satria dia nipitika tokony ho am-polony metatra maromaro teo mihitsy izy. Nahitàna fahapotehana ihany koa tetsy andanin’izay ny lohan’ilay fiara nandona. Avy hatrany dia nitsirara teo am-povoan’arabe ilay rangahy, nilona toa anaty rà mandriaka. Teo amin’ny lohany no voa raha ny fantatra. Nentina novonjena avy hatrany tany amin’ny tobim-pahalasamana nony avy eo. Saingy na dia teo aza ny herim-pon’ireo mpitsabo niezaka nanavotra azy dia indrisy fa tsy tana intsony ny ainy. Tonga avy hatrany teny an-toerana kosa ireo pôlisy fotoana fohy taorian’ny nitrangan’ny loza. Nanao ny fizahana ifotony ary niezaka niaro, tsy hisian’ny fihoaram-pefin’ireo olona tonga maro teny an-toerana. Fantatra moa fa nentina nanaovana fanadihadiana avy hatrany tany amin’ny pôlisy misahana ny lozam-pifamoivoizana ilay mpamily nahavanon-doza, niaraka tamin’ilay fiara.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici