Tovolahy iray vao 21 taona no namono tena, nisotro poizina famonoana bibikely « Nuvan » ny harivan’ny asabotsy teo, tokony ho tamin’ny dimy ora mahery kely, tetsy Ankasina 65 ha Avaratra Andrefana. Raha ny fanazavana azo dia nisaraka tamin’ny sipany ity tovolahy ity ka tsy nahatanty izany ary izao nikasa ny hanapitra ny ainy izao. Talohan’io izy efa niboboka toaka ary nikotaba tsy nety nampanginina, hoy ny reniny. Raha ny fanazavana hatrany dia nanomboka ny zoma teo ny ady sy ny fifamaliana teo amin’ireto mpifankatia ireto, satria tratran’ ilay tovolahy am-bodiomby nifanoroka sy nifamihana rehefa hisaraka avy nampiaraka tamin’olon-kafa ny olon-tiany, raha nandefitra foana izy talohan’io, satria nilaza ilay sipa fa dadafarany io, toy ny tranga ny alatsinainy pentekoty teo. Ny zoma teo anefa dia tsy tako-nafenina intsony izany ka rafitra teo ny ady. Noho ny famoizampo sy ny fahadisoam-panantenana dia nisotro ranom-poizina ity tovolahy ity. Izy efa niakarapoka tamin’ny tany nalemilemy nivoaka farora-bava fotsy no nanaitra ny manodidina.
Manitrisa