- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkasina : Mpandraharaha voaendaka, lasa ny 23 tapitrisa ariary

Ankasina : Mpandraharaha voaendaka, lasa ny 23 tapitrisa ariary

Ankevitry ny efa fantampantatr’ireto olon-dratsy ny fisiana volabe tany amin’ity lehilahy iray ity, izay mpandraharaha araka ny filazan’ny eo anivon’ny mpitandro filaminana. Tsy vitan’ny voendaka moa ity farany fa sady niharan’ny herisetra ihany koa, satria tsy menatry ny namono ireto olon-dratsy. Iray volana latsaka taty aorian’io tranga io dia vao voasambotra avokoa ireo olona tompon’antoka tamin’izany fanendahana mpandraharaha izay. Miisa dimy izy ireo, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena, izay noraisim-potsiny teny amin’iny faritra Ankasina iny. Marihana, hoy hatrany ny loharanom-baovao fa misy zaza tsy ampy taona iray, tao anatin’ireto mpanendaka tratra ireto. Ny zava-nitranga. Ny alahady faha-24 ny volana oktobra lasa teo, lehilahy iray no efa narahana bandy maromaro, teny amin’iny faritra Ankasina, tsy lavitry ny orinasa iray mikirakira ny resaka vy. Na dia andro atoandro be nanahary aza dia hiarahan’ny rehetra mahalala fa somary mangina iny toerana iny, indrindra moa fa hoe tsy misy misokatra ireo mpivarotra sy orinasa eny amin’ny manodidina. Tsy lasa lavitra ity toerana ity araka izany ilay lehilahy dia natonin’ireo olona nanaraka azy. Tsy nisy alaharo alaharo, hoy ny vaovao fa avy hatrany dia nodarohan’izy ireo tsy nanany antra ity farany. Very tamin’io fotoana io ny vola mitentina teo amin’ny 23 tapitrisa ariary teo tany aminy. Nanomboka teo ny fikarohana nataon’ireo mpitandro filaminana ary izao nahatratrarana ireo tompon’antoka izao. Marihana fa noraisin’ny teo anivon’ny polisin’ny SUT na ny « Sureté urbaine de Tana » etsy Tsaralalàna ny tohin’ny fanafihadiana mahakasika ity tranga ity, raha ny fanazavana hatrany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici