- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAnkasina : Raim-pianakaviana nisarahan’ny vadiny, namono tena nitelina poizim-boalavo

Ankasina : Raim-pianakaviana nisarahan’ny vadiny, namono tena nitelina poizim-boalavo

Lehilahy iray sahabo 45 taona monina etsy Ankasina 67 ha no namono tena nitelina poizim-boalavo, omaly naraina. Talohan’io dia niboboka toaka vao maraina izy. Avy eo, rehefa mamo, dia namoy fo ary nikasa hanapitra ny ainy noho ny alahelo vokatry ny fandaozan’ny vadiny azy hono. Izy avy nihoaka nandoa nalemilely no sady nidelira no nanaitra ny zanany. Mamo lava sady tia ady ity raim-pianakaviana ity. Tsy tantim-badiny intsony ny toetrany ka naleon-dramatoa nisintaka, hoy ny fianakaviany. Hatramin’izao ora anoratany izao, raha ny vaovao azo farany, dia mbola manaraka fitsaboana. Tato ho ato izay, tsy tanora tsy olon-dehibe, fa lasa lamoady ny mamono tena noho ny tsy fahazakana onjam-piainana. Misy raha la terre !

Manitrisa

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser