- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAnkasina : Taolam-paty iray « sachet » nisy nanary tanaty tsikafona

Ankasina : Taolam-paty iray « sachet » nisy nanary tanaty tsikafona

Feno taolam-paty ny tanàna ! Taolambalon’olona teo amin’ny iray gony teo, miisa eo amin’ny 60 mahery teo, no hitan’ny olona teny amin’ny faritra Anosibe sy Ankasina iny omaly. Hatairana ny an’ireo mponina teny amin’iny faritra Ankasina, manakaiky ny “boulevard de l’Europe” iny, omaly maraina tokony ho tamin’ny 8 ora tany ho any. Taolam-paty maromaro no hita nitsengavana, nafenin’ireo tsikafonkafona tao anaty rano. Nampandrenesina avy hatrany ny pôlisy misahana iny boriborintany iny, izay tonga fotoana fohy teny an-toerana, nizaha ny zava-misy. Nitangorona izay tsy izy ny olona. Zavatra tsy dia fahita firy eny an-toerana ihany koa moa. Araka ny fanazavana azo dia saika taolan-dava avokoa ireto hita ireto ary tsara fono ao anaty “sachet”. Tsy teo Ankasina ihany anefa, fa mbola nahitana taolam-paty maromaro, tokony ho tapa-gony mahery teo ihany koa teny amin’iny faritra Anosibe iny. Raha ny tombatomban’ireo mpanara-baovao dia mety ho olona mitovy ihany no nanary ireto taolam-paty ireto. Avy any Anosibe any ny lalany ary nizotra nankany 67ha. Nalazalaza mihitsy ity resaka taolam-paty ity, volana vitsivitsy lasa izay. Mbola fanontaniana goavam-be tsy mety nahitam-baliny anefa ny hoe, atao inona ireny taolam-paty ireny. Ny azo inoana tamin’ity tranga iray ity aloha dia mety ho taolana efa voangona, tany amin’ireo tanàna manodidina ny renivohitra izy ireo. Mety nolavin’izay olona saika handray azy ary dia izao nariana izao. Hatreto aloha raha ny fanampim-panazavana azo dia tsy fantatra izay mety ho olona nanary ireto taolambalo ireto. Misokatra araka izany ny fanadihadiana ataon’ireo mpitandro filaminana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser