Nisehoana lozam-pifamoizana, nandratrana olona, indray teny amin’iny lalana « boulevard de l’Europe » iny, omaly tamin’ny 8 ora sy sasany teo ho eo. Taxibe 105, avy eny Ambohimarina, no nisy olana teo amin’ny lafin’ny hisatra ka avy hatrany dia namantana teny amina andrin-jiro teny amin’iny faritra Ankasina iny. Vokany, mpandeha niisa teo amin’ny sivy teo no naratra mafy ka tsy maintsy nentina haingana teny amin’ny tobim-pahasalamana. Raha ny fitantaran’ireo olona tao anaty fiara dia somary nandeha mafimafy ihany ity taxibe ity. Saika hisongona fiara teo alohany izy no nisy hafa nisongona azy avy any aoriana, ka nahatonga ity fiara ity nifatratra teny amin’ilay andri-jiro. Misy amin’ireo nahita ny loza kosa no nilaza fa nifanenjika tamina taxibe teo alohany ity fiara ity no nilaozan’ny hisitra ka tsy nisy afa-tsy teny amin’ilay andri-jiro sisa no hany fampijanonana azon’ilay fiara natao. Soa ihany aloha fa tsy nisy ny aina nafoy. Ireo zotra ireo mantsy dia efa malaza ratsy sy mampikolay ireo mpandeha, amin’ny fandehanana mafy, rehefa mahazo iny lalana malalaka sy migodana iny. Etsy andanin’izany anefa dia misy ireo fiara izay efa tsy tokony hiasa intsony noho ny haratsiny. Ary manginy fotsiny ny tsy fanajàna ireo mpanjifa. Miantso ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny hijery akaiky ireo tranga ireo, hisorahana ny loza toy izao.
m.L