Tsy vitan’ny fanafihana tokantrano intsony no ataon’ireo andian-jiolahy ireto, eny amin’iny faritra Ankasina iny, fa tapitra aolan’izy ireo avokoa izay vehivavy sendra azy ao anatin’izany fanafihana izany. Fantatra fa tato anatin’ny andro vitsivitsy izay dia efa vehivavy maromaro ihany no lasibatr’izy ireo.
Ny faran’ny volana martsa teo dia tokantrano iray teny amin’iny faritra Andohatapenaka iny no lasibatry ny fanafihan’ny andian-jiolahy mirongo zava-maranitra. Tonga faran’izay haingana teny an-toerana ireo pôlisy saingy efa renim-pianakaviana iray miaraka amin’ny zanany vavy iray no mifatotra eo am-pandriana. Tsy vitan’izay anefa fa nisy roavavy tamin’ny zanak’ity ramatoa ity ihany koa nentin’izy ireo nitsoaka. Tsy lavitra ny tranon’izy ireo anefa no nahitàna azy mirahavavy, efa voaolana. Herinandro taty aoriana, tokantrano hafa, izay nisy vehivavy nipetra-drery ihany koa no lasibatra. Rehefa voaroba ny entany dia nampiharan’izy ireo ny filan-dratsiny ihany koa ilay vehivavy. Nandray an-tanana avy hatrany ity trangam-panafihana miharo fanolanana mifanesisesy ity ireo mpitandro filaminana. Andro vitsy taorian’izay fotsiny, ny faran’ny herinandro teo, dia nisy olona efatra voasambotra teny Ankasina, izay fantatra fa isan’ireo tompo-marika tamin’izany fanafihana izany. Nisy olona roa ihany koa nosamborina teny 67ha noho izy ireo nividy ny entana avy nangalarin’ireo jiolahy mpanolana. Fantatra tamin’ny famotorana natao azy ireo fa ireo tokantrano misy fianakaviana tsy misy lehilahy na vehivavy mipetra-drery no tena kendren’izy ireo ahafahan’izy ireo maka ny entana sy mampihatra ny filan-dratsin’izy ireo. Samy niaiky ny heloka vitany moa izy enin-dahy ireto. Nadoboka am-ponja avy hatrany rehefa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana.
m.L