- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAnkasina : Voasambotra Rasta mpisam

Ankasina : Voasambotra Rasta mpisam

Ny alahady maraina be tamin’ny fotoana nanaovan’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faha-4 fisafoana teny amin’ny faritry ny 67 Ha Atsimo no nifanenan’izy ireo tamin’ny mpanendaka iray antsoina hoe Rasta. Efa maro ny fitarainana azon’ny mpitandro filaminana mahakasika azy io, satria matetika dia miverina hatrany io anarana io raha vao misy sinto-mahery sy endaka. Io maraina io, raha vao nahita ireo polisy ny anao lahy, dia rifatra nandositra. Raikitra ny fifanenjehana ka efa tonga teny Ankasina vao tratra ilay jiolahy. Hita tany aminy ny antsy roa lava lela, fanalahidy maromaro ary fanafody gasy. Voalaza fa tsy misaraka aminy ireo zavatra ireo rehefa manendaka izy. Omaly no natolotra ny Fitsarana Rasta.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser